You are here: home > Vetso

TSIRIRITRA - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

TSIRIRITRA!

bikanao no manintona maso
hatsaràna manaitra ny fo
mendrika anao eh! ny kanto
Ny fo tia no maniry ny ho roa

hasambaran'ilay mpianjoria
no miherika anao jery todika
miherika mantsy satria
taitra ny fo dia nidoboka

tafintohina ny tongo-mamindra
ka hiomehezan'izatsy mpandalo
tondro-molotry ny mpamingavinga
no mampiondrika toa nampimalo


R'aims RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
04-08-2021