You are here: home > Vetso

VAVAKA 2 - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

vavaka
Tompo o!
hiantoraka amin'iza,
ny nofo mora lefy?
ary ankinina amin'iza
ny vavak'olon-dresy?
Ianao irery ihany
no hany fanavotana
Ianao hatrany hatrany
no hany hisarongotana
Aza avelanao ho fefika
ny tanindrazana malalako
Aza avelanao ho rendrika
ity nosindrazako
mba hamindrao fo
fa misedra zava-tsarotra
ka ny tananao Tsitoha
no hamaha izato fatotra
misaotra Tompo o! Amen
nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA
20-03-2020

Hametraka hevitra

Midira aloha