You are here: home > Vetso

VETSOY - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

vetsoy

Henoy,
reneso,
Ny ritsoky ny fo
mivetso ny fitia
mikalo ny ambom-po
manembona iray dia

Kapòhy,
bedeso,
ny fo zatra alahelo
aza avela hitrebona
manko, ireo tsiambaratelo
no hidoboka firedona

takòny,
tampeno,
ny maso tsy hijery,
ny zava-poana ny fitia
sao ny kalo mistery
no hiako an-tsofinao malia

tazòny,
sakano,
ny vava tsy hiteny
na hiresaka fitiavana
ianao no zatra "eny"
f'izy zatr'ilay fandavana


korisam-pinen'i Raims Randriamalala (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 20-09-2019

Hametraka hevitra

Midira aloha