You are here: home > Vetso

VONINKAZO TAKARIVA - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

VONINKAZO TAKARIVA!
iny sisin-dalana iny!
rehefa alina tontolo,
vao mamelam-boninkazo.
voninkazo maro loko
sasa-miandry ilay fanala
hahamandina ny felany

iny sisin-dalana iny
rakotra'hazo midoroboka,
nodidinim-boninkazo!
voninkazo tsara kolo
tsara endrika sy kanto
fa samihafa tombam-bidy

indro elankelan-trano
feno tranom-pamokarana
toa ankafizin'ny mpandalo
injany, fa manako takariva
ireo hirahira tsisy tonony,
mikalo ny tarainany
amin'ny feony malefaka
ireo voninkazon'ny alina

R'AIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
26-07-2021