Zava-boahary (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Endrey! ny hakanton'ny zava-boahary
Toa mahafinaritra, maha-te ho tia
kanto sy meva raha samy voahary
Ka mahatamàna an'ireo mpianjoria

saingy..,
indrisy fa simba sy rava,
Ilay voahary namiratra mba noforonina
dia ny masoandro hantenain-kanazava
No zary aizim-pito ho an'ny tany amamonina

Nahoana r'ilahy no dia nosimbaina,
ny voahary nataon-janahary?
nahoana no dia ravaravaina,
ny endrika kanto izay lavorary?

tsarovy, fa ny anao ho vita ihany,
Fa ny hoavin'ny taranaka no mba anao ahoana?
Sao hanenenana ny fanimbana ny tany,
ka ho foana sy ringana ity tany moana,

Nosoratan’I RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy aimé)
--------
Rohy:
869 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155