DIA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIA


Dia lasa teo ny saiko...
Mandinika ny fiainana, izay efa nosedraiko.
Mandefa ny fisainana dia velovelon-tsento.
Manakatra ny hevitry ny antom-pisiako eto!

Dia manontany tena...
Nahoana aho no hary tamin'izato firenena?
Nahoana mihitsy moa, izaho no Malagasy?
Nahoana koa ny tany no namaritra ny rasy?
Nahoana no tsy biby, fa nateraka ho olona?
Nateraka hitolona sy hamakivaky ny olana.
Kanef'izaho malemy, f'efa reraky ny làlana;
Mahatsiaro manirery, tsy misy fitantanana!

Dia revon-dranomaso...
Tsy ranomason-jaza ka hoe miantsoantso.
F'ezahako hokobonina ho ahy ny fahoriako!
Tontolo anatiko any, no kianja ho an'izany;
Ao no itomaniako, amin'izay fotoana tiako!



RAVANONDRAZANA
16 MAY 2021, 11H:59
--------
Rohy:
391 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 16/05/2021 13:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147