DINGAM-PISARAHANA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DINGAM-PISARAHANA

Izao vao tena azoko izay tianao kasaina.
Izao ianao vao sahy mivetso fisarahana?
Tia tokoa ka donto, sy taraiky ara-tsaina,
Hany ka tsy takatro fa misy tsy fitiavana,
Misy ny hevi-dalina ka mody mila vaniny,
Mody ho saro-piaro mba ho fitarihan'ady,
Lasa fahazarana ny tsy fahazoako rariny,
Mazàna no mifona, nefa lavinao sahady.

Tsy ela akory izay ilay isika niady farany.
Andro telo monja tsy nandrenesam-peo,
Narafitro ny hafatro, nalefako ny sarany.
Indrisy mantsy anefa ny zavatra niseho...

Hoy ianao namaly: "Ialako tsiny etoana,
Fa tsy afaka intsony ny hiaraka aminao.
Na aza ianao mifona d'efa tsy fotoana!
Vao nosoloiko omaly ny toeranao f'izao,
Hofarano androany ny fifandraisantsika
Dia aza mieritreritra ny hahita ahy akory
Izay fa dia veloma".
Izay no valin-kafatra nalefanao dia vita
Hatreo ilay tantara ka lasa mampahory...

Ny hany sisa teniko? Fisaorana daholo...
Misaotra anao niafy, niharitra hatrizay!
Misaotra nampiafy ilay kasaina hanolo
Ahy izay ela izay!
Misaotra koa fa hay
Nasinao famitahana
Nisy fanarahana ny dingam-pisarahana!


RAVANONDRAZANA
14 Avrily 2021
--------
Rohy:
461 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 20/04/2021 15:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016