You are here: home > Vetso

EFA NOLAZAIKO ANAO - Ravanondrazana

Azo vakiana?

EFA NOLAZAIKO ANAO

Holazaiko androany ity tsiambaratelo ity.
Raha misy tovovavy: iray, na roa, na telo,
na folo na roapolo milahatra manoloana.
Samy anaty akanjo :"tsy dia manahoana"
Samy natoraly mba tsotsotra eo daholo!

Hinoako marimarina amin'ny foko manontolo:
Misy iray ao tsapa mahafehy ny fotoana;
Mahavita mampiraikitra izao tontolo izao.
Misy iray ao kanto sy miavaka eny foana.
Izany ilay malalako EFA NOLAZAIKO ANAO !

RAVANONDRAZANA
11 JONA 2022 07:38