ETSY (Ravanondrazana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ETSY


Etsy ho safoiko
ry zanako izany!
Mbola eto dada
fa aza tomany...

I neny izay lasa
tsy hiverina intsony;
fa efa nantsoin'
ilay Ray ao ambony.

Etsy ry zanako,
ho rotsirotsiko...
fa ianao irery
no antom-pisiko.

Eto ho'aho dada
fa aza manahy...
ny fifalianao no
fiadanana ho ahy.

Etsy tantanako...
hianatra hamindra.
Hamaky ny làlana
sarotra indrindra.

Hisedra sahady
ny fiainana mafy.
fa tiako dia zariko
hiharitra hihafy...

I dada tsy akory
tsy hoe eo foana,
fa mbola hatory
rehefa fotoana...

maso no tsapako
ho manganohano
ka etsy ry zanako
ho tsofiko rano....



RAVANONDRAZANA
01 Mey 2020
--------
Rohy:
Sokajy : Zanaka - Alahelo - Fitiavana
660 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 01/05/2020 12:43
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104