MANGINA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANGINA

Mangina ry boto nilaozan-tsakaiza,
Ianao na maditra tsy afa-mankaiza.
Miseho be saina kanefa mangaina,
Sendra voadona dia velon-taraina.

Mangina f'izany no atao hoe "fitia":
Mahavita manetry ny hajan'ny tena.
Heverinao fingana hisompatra dia,
Kanefa ny toetra no mila hotefena.

Mba saino monja hoe firy moa izay,
Ireo sipa rehetra voatety hatrizay...
Voaratra izy nefa modiana tsy hita
Tsarovy: "manody ny ratsy efa vita".

Mangina dia aoka hanova tantara,
Meteza mijoro sy hamadika pejy...
Ny taranaka afara, no efa hitsara,
Avy eo hankatahaka zavatra "mety".
Ianao te hiova sy hanitsy ny làlana
Fa efa nanarin'ny donam-pitiavana.


RAVANONDRAZANA
2 AVRILY 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - fiainana - Ditra - Alahelo
468 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 03/04/2021 14:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148