MBOLA TIANA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA TIANA


Eto am-panoratana aho no mialatsiny indrindra.
Fa toa nihankanankana, sadaikatra famindra...
Raha sendra anao sy izy, tamin'indray ariva iny.

Toy ny horonan-tsary mampatsiahy ireo fahiny,
No hitako sy niainako... Fa saingy fotsiny hoe:
Ny toerako no lasany. Fotoana vitsy monja dia
Nasolonao ho anarany 'lay fitiavana mafy onja.

Mahatsapa tena diso ny malalanao fahiny fa,
Namela anao hijaly ho eny an-tànan'i ambodia.
Noheveriko ho tsotsotra raha ny fisarahan'iny.
Hay nitera-boka-dratsy ka nandrava ilay fitia...

Hafeno tsy ho fantany ny tsiambaratelontsika.
Indrindra ilay hatsiaka, nandrisika voalohany...
Dia fantatrao ny tohiny satria tsy azo ambara!

Tsy haiko hoe ahoana f'izaho angamba adala?
Mbola tena manina, ny hiantso anao "malala".
Sady mbola vonona ny hiandry anao eto ihany,
Raha sendra ianao tomany, na sanatria mijaly.

Matoa aho io manoratra dia mbola manantena
Ny lanja sy ny vesatry ny voady izay nekena...
Niarahana nivetso tao anatin'ny hasambarana.
Miandry anao handrava ireo sakana mibahana.
Miandry anao hanakatra ny tànako mitsotra.
Miandry tondrozotra sy ny dingam-pisarahana.


RAVANONDRAZANA
19 AOGOSITRA 2021
--------
Rohy:
466 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 21/08/2021 18:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144