You are here: home > Vetso

MIFONA - Ravanondrazana

MIFONA

Neny a!
Hifonako ny omaly...
Raha nanoka-bava
Nikiry ny hanazava.
Meloka aho namaly,
Mafy loha sy saina
Dia tsy te ho bedy.
Kirizako holazaina,
Ny hevitra mba mety
Fiarovan-tena ho ahy.
Nihevitra ho marina
Dia tsy niahiahy
Niaka-peo ho farina.
Hay nandratra anao
Ireo zavatra niseho,
Fantatro vao teo fa
Tomany ianao omaly
Tsy zakako ry neny a!
Raha ianao mijaly,
Maratrako amin-teny
Miaiky f'efa diso ka
Mifona aho ry neny!

RAVANONDRAZANA
11 AVRILY 2021