MISAOTRA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISAOTRA

Misaotra aky malala a!
Misaotra anao namaly 'lay hatako ny omaly.
Noraisinao ho matotra nef'aho niadaladala...
Nekenao tsotr'izao, tsy nasinao ady varotra.
Kanefa aoka tsoriko: fa sangy fotsiny iny e!
Ka aza omenao tsiny raha mitokona ny foko.
Mety hoe hadisoako ny hanafina ny marina...
Satria ny namanao no tena tiako noho ianao:
Dia 'lay tovovavy monina eto an-Tanambao.
Ny tena hitiavako azy? ilay atao fanalan'azy,
Malalaka tsy an-tery fa manofa trano irery e!
Raha azoko eo izy iny dia feno anay ny lapa...
Kanefa moa indrisy... f'ianao indray no zaka.
Izao vao tena tsapako, fa diso ny fiantefan'
'lay tononkaloko hoe: rehefa...ianao...rehefa.
Ho tiaviko ihany anefa raha vonona hifikitra,
hanjohy izay ombako n'inona n'inon'adalako.
Fa lavitra ahy ianao e! Angamba tsy sahaza:
Raha eto Tanambao no mitia ny Mangalaza!
Tanàna fanta-daza kanefa aleoko miharitra,
Mitady izay ho tiavina ka hanome finaritra,
Fitiavana mivantana ka tsy mba mampijaly;
Ohatra amin'izany ny atsy Ambohimiangaly.
Tiako hatrany hatrany ny mahita lalan-dava,
Ny misy ny olon-tiako,
Tazana isan'andro toy ny etsy Antsahalava.
Hany ka raha misy ny teny hoe "mandalova,
F'aho 'rery no ato an-trano"...
Dia tongako eo noho eo ny any Avaradrova;
N'any Atsimondrova n'any Antsahamarova;
Rehefa mambamamba...
Raha ianao alavitra, tsy hahenik'ireo banga,
Ny tena hainao ihany fa mangetaheta lava.
Izaho tsy te ho ory ka hitia ny tsy eo akory.
Na raha mety ianao dia aleo ianao no itady,
Izay olona hameno ny tsy fenonao hatreto.
Fa mila fotsiny eto no toerana hipetrahany!
Raha tena tia ianao dia ataonao izay tiako,
Dia 'zay ilay faniriako ka anjaranao ny sisa...
Hisento an'alin'isa sa ho tezitra hisafoaka?
F'ato anaty soratra ny ahy ny ampamoaka.
Lasa ho'aho ny saiko e!
Dia vitanao tokoa ve ny mino izay lazaiko?
Hadinoy hatreo izay voalazako anao teo...
Fa sangy fotsiny ihany!
Fa efa ianao hatrany no silako eto an-tany.
Kanefa na dia izany mba misy tanjona iny!
Raha tena tia ianao dia tonga dia tsy mino,
Ka mora manadino ny etsetra teo ambony,
Fa raha tsy tena tia! Dia tsy mahay mitony;
Simba eritreritra ka tsy mahatoky intsony!


RAVANONDRAZANA
14 May 2021
--------
Rohy:
582 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 15/05/2021 10:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161