MISY IZY (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY IZY

Hitsero, mba jereo!
Ilay maso pitrapitra
Mijery anao hatrany.
Ny fony be toreo no
Efa mby ho triatran'
Ny ratram-po tomany.

Vatsio fa miatrik'ady
Ilay fanahy mpiaro
Anao rehefa matory.
-Miharitra, mianjady,
Ireo hery ratsy maro,
Hikasa ny hampahory.-

Omeo ilay fahefana,
Hifehy izao tontolo...
Sy ny aminao rehetra.
Fa, ny azy, ireo filana,
Omeny anao daholo
Raha sendra hetaheta.

Ianao aza malaina,
Fa any ho any misy,
Maniry anao ho tiana.
Miasa ao an-tsaina,
Kanefa moa indrisy fa
Mitia anao mangina.


RAVANONDRAZANA
06 avrily 2020
--------
Rohy:
544 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 30/04/2020 17:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0348