ROA SEGONDRA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ROA SEGONDRA


Roa segondra monja,
No sendra nifanojo,
Ny masontsika roa.
Ny anao malefak'onja,
No sady lasa tsongo
Manindrona ao am-po.

Roa segondra ihany,
No niainako tontolo
Hafa tany ankoatra.
Dia taitra noho izany
Ilay foko bobongolo
Izay resin-tory loatra.

Roa segondra koa,
No efa injay voavoly
Sahady tao am-poko,
Ilay raozy tokam-po,
Ho hanitra hampitony
Ao am-pasako toloko.

Roa segondra angamba
No efa ampy ho fehin'
Ny tena tiako ambara.
Ny hozona no hiapanga,
Sady ataoko ho rean'
Ny mpizara ny anjara,

Sy izao tontolo izao,
Fa "tena tiako ianao"!


RAVANONDRAZANA,
5 AVRIL 2020, 16H:15 min
--------
Rohy:
613 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 30/04/2020 16:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103