SAMBARA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMBARA


Sambaro ilay akaniny sy fony manontolony.
Sambara f'efa lavo, ilay izaho natositosiny.
Sambaro ny olon-tiako f'izaho anie nariany,
F'ianao izao no tiany, hanjaka ny tontolony!

Sambara f'efa lasany ny mamy tao anatiko
Hiarahanao sy izy migoka fahasambarana.
Sambara f'efa fantany izay rehetra ratsiko,
F'izay no nahamora nirehetam-pisarahana.

Sambaro ilay fiarahana ambony ranomaso!
Hinoako fa ianao, ilay kanàna tsy hatsatso.
Sambaro aky rahavavy ny fiainanareo roa a!
Sambara eo an-tratran'ny malalako taloha.


RAVANONDRAZANA
15 MAY 2021, 18:59
--------
Rohy:
509 0
Hevitra mandeha
MAZ RAMANA ( 17/05/2021 11:18)
Hay ve RAVANONDRAZANA vehivavy eh? Mankasitraka eh! Tohizako kely amin'ilay tononkaloko hoe "TSY LANIKO" ity anao ity!
Ravanondrazana ( 25/05/2021 10:22)
Hahaha... Mba soratra fotsiny ihany ny ahy. Fa izaho dia lehilahy
MAZ RAMANA ( 29/05/2021 09:24)
Hahaha, iny indray no tsy hitako! Azafady indray ary eh, hihi
hery ( 31/05/2021 19:34)
Saika gaga koa aho
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 16/05/2021 13:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169