TSY VANONA IANAO (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy vanona ianao!


Tsy vanona satria, nosomparanao ny fony.
Nataonao mihitsy, ny nahababo ny fanahiny
tanaty finamanana...
Fantatrao izy iny, tsy mba manan'olon-tiana;
Ka niantsampitsampy ilay fitia tsy fanahiniana.

Ratsy saina ianao e!
Satria niandrasanao ho latsa-paka ny fitiavany.
Ny hamboraka rahateo tsy nananany finiavana.
Tantara vao niatomboka no efa hainao tsara,
Sy arakao sahady ireo, mba teny tiany ambara,
Dia nolalaovina izy...

Omaly ianareo niaraka, tsy toy ny mahazatra.
Tsy aiko aloha ny resaka, izay vitanareo tany.
Fa angamba kosa ianao no fototra nandratra.
Ny alina izy mantsy no, nanomboka tomany,
Hatramin'izao tolefika, ao an'efitranony ao...


RAVANONDRAZANA
17 Aogositra 2020
--------
Rohy:
395 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 03/04/2021 14:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015