Misy zanakolona (Tahirintsoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
misy zanakolona
toy ny hoe nateraka
hambabo ny fanahiko...

misy zanakolona
milasitra tanteraka
amin'ny endrika katsahiko ...

misy zanakolona
satriko havahana
amin'izao tontolo izao ...

misy zanakolona
tiako mba hiarahana.
... ho iza raha tsy IANAO.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1576 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109