ATOLOTRA HO AN'NY MPANORATRA ZOKY REHETRA ATO AMIN'NY VETSO SERASERA (Z'ANDRYGASY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asa na izaho no adala
Na minia tsy mahalala
Asa ny fijeriko no hafa
Na ny saiko no efa mivaha
Fa raha ny takatry ny saiko
Sy mbola andrandraiko
Dia ny asa soratra kanto
Mirindra sy milanto

Izao àry ny tantara
Tsy maintsy hambara
Holazaina fa tsy aritra
Fa ny poeta Mahafinaritra
Lazainy avokoa
Na ny ratsy na ny soa:
Ny zava-misy rehetra
Voalaza tsy misy fetra

OHATRA:

Dia Mivetso tononkira hoe:any ianao ry sombinaina
Hoy ny kalom-pitiavana nosoratan'i NOFINOFIN'NY SAINA
Ary hoy koa i ALIRAH ny bikanao izay lafatra
No nanosika ahy hamantra
Dadany izany Hoy:TEBOKA TELO
Nanao hatsikana manafak'alahelo
Misy lion'ny maritiora
Hoy KIRIAH, nanafatra ny tanora
Dia rà efa maina
Zay Vao tonga ny maraina
Fa tononkalo saro-takarina
Mifono hevi-dalina
Zany tena fatratra
Tena tonga lafatra:
Ny an'i HJRAVS, voaporofon'ny asa sorany
Efa mazava ny lalan-kizorany
NAT'UREL, ANTSAMIKANTO, TELOMAHERY, samy dadany
Jereo ao amin'ny takelaka vetso serasera ny lazany
ZOANA15, ANDRY 1000: havan'ny kanto tokoa
RYANA, FENITRA, milay nareo lehiroa
AROFANINA, DADATSIMA, tena sahy
Manentana an-tononkalo ho an'ny Gasy
JAO ANJARA tsy matahotra basy
Tononkalo an-taratasy
VEROKELY LIFANIR,tsy mena-mitaha
Poeta, tsy resim-bazaha
3004, FENOHASIMPITIA, tena varatra avokoa
LAS, mpanankanto koa

Ialan-tsiny amin'izay tsy voatantara
Fa mbola Holazaina rehefa afara
Fa zaho kosa, tsy Hoe kanosa
Raha tsy nahatotosa
Fa Vao miana-mamindra
K'azafady indrindra
Ka izao lehiretsy
Ampio aho f'aza fetsy

Z'ANDRYGASY, 17 / 06/16
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1157 1
Mpakafy: kiriah
Hevitra mandeha
z'andrygasy ( 17/06/2015 06:16)
Mbola tsy mahay manoratra ka tsy tafiditra avokoa isika rehetra. Koa azonao atao ny manohy azy. Dia mazotoa daholo ny namana rehetra. Iriko ny hitaritana ahy any amin'ny tsaratsara kokoa.
tojoninofy ( 18/06/2015 06:27)
Zà ,rangah maka anao a! iny indray no tsitako. Otran'ise iany zà te hitroatra fa tsy afa-manoatra hihihi!!!
z'andrygasy ( 18/06/2015 08:54)
Iezahana ampidirana tsikelikely nareo, namana daholo nareo e!
kiriah ( 18/06/2015 09:31)
Misaotra betsaka ry se a !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146