Solon-dambanay (Z'ANDRYGASY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Feon'akoholahy any ho any, voafitaky ny diavolana
No manakoako ao an-tsofiko, teo ampamisana olana
Ity 'zaho tsy mahita tory
Fa matin-tsorisory
Manotany am-po ny haloaky ny ampitso maraina
Sahirana mamaly an'izany ka velon-taraina
Sahirana mandinika ny hohanina
Mandefa eritreritra mahafanina

Asa lahy
Na misy tahak'ahy
Fa ny arapaka anio
Tadiavina ampitso
Raha mahita asa dia asa tsy manjary
Ariary 100, tsy mahazo afa-tsy mofovary

Ilay trosa omaly tsy mbola voavaka
Ny hiantoka ny anio,trotroin'amim-bavaka
Ny kibo amin'izay tena noana
Tsy olana anefa fa befinoana

Mirijarija lay akoholahy refa maraina
Zaho kosa mifoha tena malaina
Tsy mba hisotro na dia ranom-boafotsy
Tamin'ny alina anefa nandry fotsy

Santionany izany volaza
Fa izany tsy tantin-jaza
Manenjika hatrany ny fahantrana
Azony babo aho ka ts' isy hialana
Nitoetra ao amiko ny tsy fisiana
Fahantrana solon-damba fitafiana

Mafy izany ka tsy toa
Fa atao ahoana moa
Izany angamba no efa voadidy
Ekena na dia mangidy
Any ho any anefa misy fety aman-danonana
Anaty tranobe mihoatra ny trano fiangonana

Misy koa ireo manao laoka maro sosona
Mafilotrabe mihitsy tena mani-pofona
Ny sasany indray miakanjo Arahin-dranomanitra
Ny anay, ny trano aza tafo lanitra
Anefa samy zanak'Andriamanitra
Izahay anefa mitango lalitra

Zara raha mitafy
Fa tsy maintsy mihafy
Amin'ny andro ririnina mamirifiry
Eh! Maniry raha maniry
Mba ho tena lamba
Kanefa solon-damba
Dia ny tsy fisiana
Eny ny tsy fisiana
Tsy misaraka eny an-koditra
Tena tandra vadi-koditra
Ny manodidin'ahy, tokotam-pahoriana
Fahantrana Manenjika ato aoriana
Tena ho sambatra aho angamba
Raha afaka ilay solon-damba

Z'ANDRYGASY
--------
Rohy:
842 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102