Tsifarifary (vehivavy nanambady vazaha)(1) (Z'ANDRYGASY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tafavoaka hono ity zazavavy iray
Ka tsy nahalala reny, tsy nahalala ray
Tafavoaka fa nahazo vazaha
Ka niofoka tsy ho tantsaha

Raha nitsidika ireto Ray sy Reny
Tsy mba havany hono izy ireny
Ilay Dadany nanambitamby isa-maraina
Nolazainy fa mpikarakara zaridaina
Ilay reny izay nitaiza sy nanolokolo
Mpikarakara voly any ambanivolo
Ka hoy izy:tsy hohadinoina ny lasa
Koa horaisiko ianareo roa hiasa
Ianao Ramatoa, manasa sy mahandro
Rangahy kosa, miandry kisoa isan'andro
Nalahelo ireto kitapo nifonosana
Fa naniry tandroka Ikalatokana

Tsy takona intsony anefa ny nafenina
Eo Rakalakely vao latsa-nenina
Noroahin'ilay vadiny
Fa tratra ny tetik'adiny:
Allez ce n'est pas une vady
Vas y ailleurs mitady
VoilĂ  la devoly
Dit:la baiboly

Z'ANDRYGASY, 18/ 06 / 15
(1) Notakarina tamin'ny tononkiran'i MANALY:Manambaly vazaha
--------
Rohy:
1044 0
Hevitra mandeha
z'andrygasy ( 18/06/2015 13:39)
Tantara mateti-pitranga ka nohiraina an-tononkalo. Mbola tsy tapitra fa azonao tohizana. Manantena sahady ny mety ho tohiny avy aminao. Misaotra mialoha amin'ny fiaraha-mientana ao amin'ny kanto
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137