Dia mbola tonom-bavaka (Ni..! (RPR))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry havakoMeteza ianao hiaiky
Fa!... mahery sy mafonja
Izany hoe mivavaka
Iza moa!
No tsy nivetsovetso
Karazana fivavaka raha vao nikorontana
Ity Madagasikara ???
Na andian’olona
Na haino aman-jery
Tsy mba nisy an-tery fa tamin’ny fo tokoa
Iza tokoa moa
No tsy nandohalika
Niandrandra ny lanitra
Ka nitalaho mafy
Tamin’Andriamanitra hoe :
Ray ô !
Omeo filaminana izao ny Malagasy
Ao ny mivavaka
Nandritry ny hasiviana
Mba entina handresena
Sy entina hitoriana
Amboaram-pivavahana
F’izany no hany làlana
Mankamin’ny fahendrena
Tsy te-hilaza aho eto hoe
Nivaly izao ny vavaka
Raha nisy ny fihaonana…
Fa zao vao tena mafy
Sy mila hamafisina
Ary tsy an-kiato
Ny miantsoantso ilay Ray Tsitoha
Satria moa ny devoly
Dia tsy kely làlana
Ka hamafiso hatrany
aloha ny fivavahana
Ray ô!mitady vahaolana
Izao ny Malagasy
Ka ny angatahiko
Dia alaviro azy
Ny fisainan-dratsy
Mba ho modely marina
Ireo mpitondra anay
K’hanomboka ho tafarina
Ny Gasikaranay
Dia ny hafatro eto
Ho antsika Malagasy
Mivavaha mafy
Mivavaha hatrany
Mivavaha fa tsy ampy
Ny kisendrasendra
Sy vavaka mandalo
Ry Malagasy havako
Mitalaho, mivalo
Ampio ty tonombavako
Dia hoy ny tononkira:
“DIA HO TANY SAMBATRA ‘LAY MADAGASIKARANAY”
Posak’andron’ Ni..! 23 Febroary 2009
08 ora 23 mn
Zandry Ni..!
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana
Fans:
haraldtohaina