Ny sariko (Ntoaris)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Omeko ano ny sarikoMba ho fahatsiarovana
ka ny volana no indramiko
haneo ilay salovana
io ilay tavako mijery
mitsinjo anao hatrany
tsy hamelanao ho irery
n'aiza n'aiza eto an-tany
Ka raha adinonao ny anarako
Ndeha jereo ny endriko
Fa io volana io ny tavako
Hoy aho,mbola averiko
Ka raha malok'ila iny eny
Dia izao no mba fantaro
Fa misy alahelo tsy miteny
Sy tsiaro mifangaro
miaina anatiko mangina
faharesena sy ny ohatr'izany
dia miseho tsy hay toniana
eo amin'ny sariko eo izany.
--------
Lien:
Commentaires
Laaris
(
09/07/2012 10:54)
Tandremo nefa ry zareo a!al ian ntoaris no hita
fa raha t ahita azy atoandro.d izao no ataovy fika
midira anaty serasera lah na nji.
D jerev n Mpanoratra Ntoaris.
io iz fa itanao,manao satroka tsihy
misaotranao izay hankaFI
fa raha t ahita azy atoandro.d izao no ataovy fika
midira anaty serasera lah na nji.
D jerev n Mpanoratra Ntoaris.
io iz fa itanao,manao satroka tsihy
misaotranao izay hankaFI
lanto73
(
02/08/2012 11:46)
Fa hono hoy aho ? Iray ihany ve i Ntoaris sy Laaris. NtoLa ? LaNto mantsy eh. Mijery ny hevitra napetraka aho dia mahita fa tohin'ny tononkalo ilay izy. Sa ve tsy marina ?
laaris
(
04/08/2012 11:34)
Ray ihany reo fa nisy fifandisona kely oz Rajao zay e!
Laaris
(
07/08/2012 06:15)
Ts d oe fananina tohiny fa aingampanahy tonga teo e!D Lantoaris izy raha atambatra.Azonao asina son n farany d Lantoarison. larison ko izy e!