ANA-JOKY (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zandry
Aza mamoy fo raha mbola tsy sendra
Ny olon-tena izy tsy milalao fitia,
Any mbola misy tsy tia rendrarendra
Mijery lavitra te hiara-ko doria.

Zandry,
Ny olona ange tsy indray no babo,
Tsy izy akory no olon-dafatra;
Mitraka ry ise f'aza mivarilavo,
Ity fiainana ange ka lanja miakatra.


Ny ho avy aloha no ataovy an-tsaina,
Izay mampahory, andeha hadinoy.
Rehefa tafa ise tsy hisy taraina,
'Reo felampitiavana mbola hamony

Zandry a,
Ny fianakaviana tena miandry an'ise,
Manantena anao hitondra fiovana;
Io mahafinaritra io maro be dia be
Ny rahampitso omano f'aza mihanahana.

NY HERIMAR
03/10/2021
Maroc
--------
Rohy:
430 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103