ERA AMIN-DRAFAHAFATESANA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ERA AMIN-DRAFAHAFATESANA.

Tsy hiresaka firy aho rampanapaka ny fiainana,
Ary ny hatako eto koa tsy dia fitarainana;
Ny zavatra iriko dia tokana mazava,
Dia ny hampateza ny aina, ho ela vao ho rava.

Raha sitrakao aleo havadika ny rasa,
Aleo ianao miala fa rafiainana no hiasa;
Aza mitsiditsidika amin'ny andro vao misondotra
f'ilay voa nafafy tsy mbola tokony hiongotra.

Aleo ianao sy rafiainana mba hifanakalo toerana,
Dia mba atsaharo koa itony asa fanaperana;
Miala ianao sasatra, mandria am-piadanana
ry mpanimba aina, mpandrava fananana.

NY H. 15/08/2019
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
443 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135