MALAGASY MORA (NY HERIMAR)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALAGASY MORAMalagasy mora mivadika,
Malagasy mora mifototra;
Malagasy kely mora adika,
Malagasy kely very fototra.
Malagasy mora ambakaina,
Malagasy tsy mba fetsifetsy;
Malagasy tsy dia misaina,
Mora voasarika vetivety.
Malagasy mora miova teny,
Malagasy mora manadino;
Malagasy be renireny,
Raha ny hiova tsy mampino.
Malagasy mora mankatahaka,
Malagasy mora fitahana;
Ny soatoavina nahahaka,
Fombam-bazaha no nabahana.
Malagasy mora resy lahatra
amina kobaka am-bava,
Omena vola kely dia misahatra
amin'ny tolona sy tabataba.
Raha ny mpitantana moa
dia tsy azo antenaina firy;
Matim-boninahitra tokoa,
Tsy mahita ireo mangirifiry.
Ny hahazoan-toerana ihany
no voalohan-draharaha,
Fa rehefa azony izany,
Naleony miondana vazaha.
Edrey ireto Malagasy,
Malagasy mora fisainana;
Teo lasa nangasihasy,
Tsisy intsony hitarainana.
NY H. 09/08/2019
--------
Lien: