RY MAMIKO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY MAMIKO

Raha ny tena tiako
Sy nametrahako fitokiako,
Dia ianao ry 'lay tokako
No mampiasa ny lohako.

Aza heverina ho adala
'ty foko tsy mba nankahala,
Na mahita anao nisalasala
Fa te hiantso anao Malala.

Toy izany ny ahy ny mitia,
Maniry mafy ho doria;
Raha mbola azo leferiko,
Ny ahy ny fo tsy toheriko.

Ianao mantsy no safidy
Masina sy Sarobidy,
Tsy handeha ho soloiko
Eny mamiko tsy hafoiko.

NY HERIMAR
01/10/2023
--------
Rohy:
361 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144