RY ZANAKO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY ZANAKO

Tsy holalovanao zanako
ny lalan-drainao
tanaty fijaliana;
Saingy adidin'ny tanako
ny manefy anao
anaty fihafiana...

Sarotra ny miaina,
Ny valala tsy azo mora;
Koa aza be taraina,
Mifohaza ry tanora!

Ianao anie anaka
ka andraindraiko fatratra;
Dieny mbola tsy valaka,
Kendreo izay lafatra.

Any andro any taona,
I dada tsy ho eo intsony
Ka iriko tsy hivaona,
Irony anatro irony.

Avelao ny rendrarendra
fa mpamono ny hoavinao;
Ny miandry kisendrasendra
Fadio tsy ho fanao!

Voa tsy afafy tsy mitsiry,
Na mitsiry tsy zarizary;
Ny lokon-tsihy mankadiry,
Tadidio fa tsara rary!

Ireo haren-drainao,
Tsy tongatonga ho azy
fa vokatry ny natao
sy fahazotoa-mitady.

Eny, tsy holalovanao zanako
ny lalan-drainao
tanaty fijaliana;
Saingy adidin'ny tanako
ny manefy anao
anaty fihafiana...

NY HERIMAR 29/10/2019
Maroc
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana - fiainana
587 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103