TAKY (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAKY

Tsy ho fantany velively,
Eny na efa niova aza ianao;
Tsy ho foana fa mbola hiely
ny fihetsika sy ny toetranao.

Tsy hino mihitsy ny olona,
Eny tsy hanaiky ny sainy;
Ary tsy ho foana ny tolona
Raha tsy afaka ny ainy.

Ry mpitondra fanjakana,
Itodiho ihany ny vahoaka;
Mijoroa ho tan-dalàna
Fa hangina izy tsy hisafoaka.

Izay nambaran'ny propavandy:
Tanteraho avy daholo;
Aza atao resa-bandivandy
sy toe-tsaina bobongolo.

Raha mbola misy mafiady,
Tsy hisondrotra ity firenena;
Ary hitohy foana ny ady
Pahafongotry ny fitiavan-tena.

NY H.
12/12/2016
--------
Rohy:
495 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 07/09/2019 07:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143