TOKONY HO ANAO (NY HERIMAR)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOKONY HO ANAOTsy haiko na izaho no teraka alakaosy
na ianao no mata vintana, natongilan'ny anjara;
Ekeko izaho tsy feno, tsisy saosy, tsy bôgôsy,
Saingy raha eto ihany, izaho tsy ho lany zara.
Ilay fitia feno hitanao natolotro azy,
Tokony ho anao fa natosikao tanana;
Ilay voady mandramaty hatao amin'ny mariazy,
Tokony ho anao fa natakalonao fananana.
Ilay hasambarana iainany amin'izao,
Tokony ho anao fa ianao tsy natoky;
Fanajana sy tambitamby ilomanosany ao,
Tokony ho anao fa ianao tsy te ho voky.
Tokony ho anao ireo hitanao ireo,
Saingy narahinao avona fony aho nitalaho;
Tokony ho anao fa naleonao toreo,
Tsy nisy nisompatra fa ianao no nanakaso.
Dia aza lazaina fa izaho tsy naharitra,
Aza lazaina fa tsy tena tia akory;
Aza todiana fa tsy mora ny miaritra
fahadisoam-panantenana sy teny sorisory.
Efa sambatra aho izao, izy tena tia ahy,
Niandry hatramin'izay fa tsy niherehanao;
Ny fiainam-pitiavako tsy misy mampanahy,
Efa voariny ny fo ilay nopotehanao.
NY H. 10/12/2019
Maroc
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana - fananarana
Commentaires
katrynah
(
20/12/2019 15:59)
Mahafinaritra ahy ny fanoratanao tohizo fa tsara sad mandona fo be de tiko be
herimar
(
20/12/2019 19:00)
Mankasitraka feno ee!