VAVONY FAHAROA (NY HERIMAR)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVONY FAHAROAHoy Rabearivelo "ny foko fasana faharoa",
Saingy io amiko dia vavony ihany koa;
Io ilay vavony mahagagagaga ihany,
Mpandevona ny tsara sy ny ratsy eto an-tany.
Laharana faharoa amin'ilay tena vavony,
Tsy mamela fa mamoaka ny takona navony;
Izy no andry iankinan'ny fiainan-janak'olona,
Manan-kery lehibe hampahomby ny tolona.
Izy ity anefa hafa fomba fanao
Mandevona mora ny tsara izay natao;
Ny ratsy niantefany tsy hohadinony tokoa,
Mivangongona ho avelo ka zary lolompo.
Ny fo no tanimboly itsirian'ny fitiavana
ifampizarana amin'ny namana sy havana;
Izy ihany koa no fontotry ny fankahalana,
Olona maro nampitondrainy faisana,
Ny alahelo sy tomany inoako fa niraisana;
Tsy nandao ny fiainana hatramin'ny fahazazana.
NY H.
28/07/2019
--------
Lien: