fitia manalasala (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
fitia manalasala

tena vaka izao ny saiko
ary mandreraka ny aiko
ny mieritreritra ny hatsarany
hatramin'izato anaran'
ity zavavy nambabo ity foko
ka mamporisika ahy antsokosoko
te hiroboka kanefa tsy sahy
ho ao anat'ity valaben' ny fakam-panahy

f' itsy tovovavy,
mangata-maso toa miangavy
te hilaza fitiavana
te handrodan'ilay avana
izay miaro ahy efa manambady
nefa mila ho ravany tsy tamin'ady
ity fo adalako
izay efa an'ilay malalako


nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
aogositra 2017
--------
Lien:
Catégorie : manokana - Aingam-panahy - Fitiavana
1074 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147