IANAO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO!
ianao ilay lavitry ny maso
nefa akaiky ny fo
mbola antsoina hoe:
"silam-panahy"

ianao ilay lavitry ny fo
nefa tsy lavitry ny maso
fa andrandrain'ny hoavy
ilay antsoina hoe: "faniriana"

ianao ilay mitoetra anaty nofy
manan'endrika ankamantatra
ilay mitoetra hanabakabaka
mbola antsoina hoe: "fanantenana"

ianao ilay toy ny voninkazo
mpitoetra anaty vazy
toa mpandravaka efi-trano
mihitsy toa : "ravaky ny fo"

nosoratan'i R'AIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy aimé)
janoary 2021
--------
Lien:
667 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151