IANAO ILAY POETA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO ILAY POETAianao ilay poeta
zatra soratsoratra
ianao ilay poeta
tia manoratsoratra,
ny ainga ho tonga kanto
ka manoratra tsy miato
ianao ilay poeta
zatra famoronana
ianao ilay poeta
manam-pahavononana,
hanandratra ny teny
hitaiza ho solon-dreny
ianao ilay poeta
miaina am-pahatsorana
ianao ilay poeta
tsy zatra fahasosorana
fa sariaka lalandava
sy miramiaran-tava
ianao ilay poeta
tia mitety ny habakabaka
ianao ilay poeta
tsy zatra mihatakataka
fa tia mizara kalo
amin'ny antsa tononkalo
Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé
14-02-2019
--------
Lien:
Catégorie :
Kolontsaina - Aingam-panahy
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Raims randriamalala (mahavonjy aimé)Inséré par : raims randriamalala
Date : 14/02/2019 17:26