ILAY SARANGA TSY MITOVY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY SARANGA TSY MITOVY

Tianao izy!
saingy etsy ange izatsy izy e!
hoy i Dada, hoy i Neny
tsy misalasala raha miteny
hoe : anaka mitandrema!
dia mba mihevera tena
fa tsy olona hoatr'ireny
no ho vinantonay sy neny
fa mba mijere saranga
izy mavomavo lamba
f'ianao manana ny ampy
aleo olona afaka hifanampy
no ekena mba ho vady!
hoy izy tsy mivazy
amim-peo masiaka
dia lazainy fa ianao maditra


Dia hoy ianao mamaly,
no sady mitomany
hoe : neny a, dada a,
aok'izay ny tabataba
ekeko rehefa izany,
fa ny any an-tsainao any!
" mbola tiako ny olon-tiako
ary tsy foiko hoe hariako
sao hanjary ho fahoriako
ny tsy anilan'ny olon-tiako
ary ny zavatra tadiaviko
izy no iriko ho vadiko "
eny fa na ahitako ireo angano
sy tsy ahazoako izay tso-drano, aza
dia tsy ahasakana ny fiarahanay
fa ho mandrakizay ilay fitia najoronay

Tiako izy, izy koa tia ahy...

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
02 Aogositra 2022
--------
Rohy:
459 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135