INAY AHO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INAY AHO

inay aho tsy nilaza
ireo tsiambaratelo
nokoboniko hatrizay
fa nafeniko hatrany
inay aho tsy nivolana
ny rediredim-poko
izay naborako avy hatrany
hipololotra avy eo imolotro
inay aho tsy nibanjina
ny masonao mamitaka
namatotra ny jeriko
tsy hiala eny aminao

tsapako,
fa ny hatsaràna eny aminao
dia singa iray monja
mahababo ny aty fo!
mampanonja ny ati-doha
ka mahaketraka ny nofo
nefa, toa mahavelombolo
te hanova ny tontolo
ho toy ny paradisa
tsy mbola tazamaso
ny miandry anao hitia

Dia...!
tsy nenina tsy akory
raha toa ka mba nitory
ny fitia anatiko ao
fa fitia te hanandrana
ny tsiron'ny fandavana
avy eo imolotrao

Raim's Randriamalala (Mahavonjy aimé)
18 mai 2022
--------
Rohy:
465 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149