IO RY TOAKA A!!! (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
andeha hody aho dieny tsy mamo ô!(x4)

IO RY TOAKA A!!!

izaho lazaiko anao
fa rehefa tena mamo
dia somary be lazao,
dia mitantara angano
amin'ny tary sy ny akama
rehefa anaty bara!

ary ny famindrako aza
somary mba novaiko,
dia miteny ratsy lava
no fifalin'ny saiko

dia gaga enao!
inona moa no mahagaga amin'izany
io toaka io anie ka manja e!
fa ny fiainana eto an-tany
raha tsy mahay mandanjalanja
dia mivarina any an-kady
na koa misara-bady

fa io toaka io
io no tena namana
ary ity no tadidio
fa io tsy manary an-dalana
fa tafody foana
na ahoana ahoana!

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA
27/05/2018
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
1388 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0702