NOFY MITONDRA MANKANY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFY MITONDRA MANKANY

fantatrao ve
fa ao anaty sainao
misy feo mibitsika
mamangy mangingina
ny eritreritrao
dia voaresaka ao daholo
ireo karazan-toky
mitory ny fitia
kisendra renao fotsiny
ireo feo malefaka
miteny moramora
hitondra anao
hitety ny habaky ny nofy
fantatrao ve
fa anaty nofinao
misy olona tsy tazana
mitondra anao mankany
amin'ny toerana tsy fantatra
kanefa ankafizinao
tontolo tsy hita maso
tsy hainao anarana
saingy ankamaminao ny fiainana ao
hiainanao ny tontolo tena mamy
mamy tena mamy
fa nisy anareo nifankatia
ary tsapanao sahady
ny tena fahasambarana
na dia monja fotsiny aza
tao anaty ny alina mangina
sy ny aizim-pitom-pahoriana
tao no niainanao ny tena fitiavana
ary tao no nanoloranao
ny mamy indrindra taminao
ho an'ilay olona tsy fantatra
tao no nahatsapanao fa mamy ny fitiavana
dia natolotrao ho azy manontolo
ny fahadiovanao
dia mankafizinao mangina
tao anatin'ny aizina
ny halalin'ny fitia
tsy zakanao anefa ny onja nentiny
ka nahatonga anao niantso vonjy
izay nahataitra ny manodidina
dia ianao efa kotsan'hatsemboahana
no tazan'ny manodidina
ka tsy maintsy noravàna
ilay nofy tena mamy
dia rava teo ilay sary indray mipika
nihanohanao ny mamy

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy)
01-12-2022
--------
Rohy:
606 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148