NY ANDRO NOELY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ANDRO NOELY

rehefa tonga ny noely
toa hoe: fetin-jazakely
dia tsy maintsy atao milay
ny kilalao anay
ny sakafo ihany koa
tsy maintsy misy hena-kisoa
ny vorona tsy hadino
f'ireny koa matsiro

ny hariva any am-piangonana
mijery fety aman-danonana
mihaino hira sy tsianjery,
mihaino tantara mistery
hoe: tonga ilay Mpamonjy
ho an'ireo mitady vonjy

fa natao ho an'iza marina
ny famonjena sasak'alina
ho an'ireo tanora manal'azy
sa ho an'ireo olona mitady
ny marina tsy fantany?
asa! izay angambany,

ny noely tahak'izao
moa mba tsinjonao?
rendrarendra, filibàna
revirevy sy adalàna
no matetika mitranga.
ireo tsy fitovian-tsaranga
ny mahantra sy ny mpanana
rahovina no hifarana,

any ho any ireo kamboty
mba mitady rotsirotsy
rehefa tonga ny noely
saingy nilaozan-dray sy reny
ka krismasy maona
no ankalazaina isan-taona

fa..., ny noely tahak'izao
no hany lalana ho anao
hanovozam-pifaliana
hanandratam-pihobiana
fotoana hanoloran-tena
tsy vozonina, tsy terena
fa mijoro ankasahiana
ho amin'ny asa fitoriana

R'AIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
22 Desambra 2020
--------
Rohy:
Sokajy : Fety - Aingam-panahy
1038 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159