NY FONAO... HO ANJARAKO VE? (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FONAO... HO ANJARAKO VE?

mbola malalaka va ny fonao
r'ikalamanja hitempon'ny foko
sa efa tinerin'ny fitia maro loko
ilay toerana mamy niriako hatrizao?

toy ny amboara iadiana eran-tany
ilay fonao mitempo tinokam-pitia
toa hifandrombahan'ny olona tia
no sady totofan'ireo teny mamy

samy teny roa no hafafiny ho anao
fa ny safidy dia tokana monja
ka na inona na inona teny mafonja
dia tokana ihany ny safidinao

Nosoratan'i R'AIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
13-01-2021
--------
Lien:
680 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152