RAHA SENDRA KA...! (ilay Barea) (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA SENDRA KA...! (ilay Barea)

raha sendra maharesy ny ekipantsika
horakoraka ny atsy, tabataba ny eroa
dia miara-mifaly satria hoe tafita
miara-mirona maneho ny ambom-po

aorian'ny lalao sy tontolon'ny alina
tsy misy hatoriana ny sarom-bilany
ny horakoraky ny olona, tabataba sy "bal"
mainka maredona sy mafy aok'izany

naneho ny hafalian'ny mpandady harona
nanadino vetivety ny fangirifiriany
ireo adin-tsaina no indro fa sarona
nosoloin'ny horakoraka ny fahoriany

fa ny indro kely etsy ankilan'izay
raha sendra ka resy ny ekipantsika
dia fanakianana mafy sy mavaivay
hoe soloy ny mpitantana fa tsy mahavita

fa isika mpijery milaza ho mahay
andao hilalao dia hatsofoy ny godasy
fa aza be vava sy vavan-tsakay
ka hanamaivana hatrany ny ekipa gasy

mba aoka re izay ilay fanaratsiana!
jereo ny lalao dia samia mangina
hatramin'ny farany tohano ny antsika
hankasitrao koa ny kely mba vita

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavony Aimé)
RRPOETA RANDRIA
30-01-2023
--------
Rohy:
245 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114