
Daty : 11/05/2019 05:48
Nijery : 2829
Tononkalo: 66 Jereo eto
Mankafy : 2 Ankafizo
Fidy Art Niaina
❤ MOMBAMOMBA:ONJANIAINA Aubertto Sanders no tena anarany. Teraka ny Talata 10 Janoary 2000 tao Befelatanana Antananarivo. Avy any Anjeva ny rainy ary avy any Manalalondo ny reniny.
Nanomboka nanoratra ny taona 2014. Nitondra solon'anarana telo teo anivon'ny literatiora Malagasy:
✔ Ademar Mivetso (2014),
✔ Onas Fidar (2015),
✔ Fidy Art Niaina (2016)
ary samy entina avokoa ireo ankehitriny.
❤ FIKAMBANANA:
✔ 2017: Filoha mpanorina ny Fikambanan'ny Poeta sy Mpanoratra MALAgasy MAnoratra (MALAMA-FP).
✔ 2017: Mpikambana mahefa ao amin'ny AJ2A: Association des Jeunes et Artistes d'Anosibe ny taona .
✔ 2020: Nitantana ny fikambanana ANKIZ'Art etsy Anosy nanomboka Jolay.
❤ SEKOLY NIANARANA:
✔ 2005 - 2010: Sekoly Masindahy Augutin Anosibe,
✔ 2011 - 2017: Kolejy Masindahy Josefa Mahamasina,
✔ 2019 - 2022: Ecole Superieure de la Multimedia Ampandrana.
❤ ASA SORATRA:
✔ Tononkalo sy riankalo: maherin'ny 1000isa ny taona 2021.
✔ Sombin-tantara: tao anatin'izay fito taona nanoratany izay dia nahavoasoratra sombin-tantara miisa 12 izy, ohatra "Volana tratr'andro", "Gasy mpitazana", "Tambazotra aloka"...
✔ Tantara foronina: hatramin'ny 2025 dia ireto no voasoratra: GEJAM-PIAINANA sy ny HAZAVANA ROA SOSONA, HATREO AM-PARAPOFON'AIKO, ZAZA SARY, RANGOM-PENINA FARANY...
✔ Tantara filalao an'onjam-peo: NY FIAFARAN'NY LALAN-DISO, niarahany nanoratra tamin'i Raholiarisoa Valerie.
Tsara ny manamarika fa tao anatin'ireo asasoratra ireo dia nisy tamin'ny teny vahiny, ohatra ny tononkalo"La reigne de mon coeur" izay tamin'ny teny Frantsay, ny boky sombin-tantara BECAUSSE I LOVE YOU izay amin'ny teny Anglisy
❤ ZAVAKANTO HAFA:
✔ Mpanao tantara an-tsary ihany koa ny tenany (dessinateur) ary efa nahavita boky iray: "VONONA".
✔ 2014: Nanangana ny Tarika Fidar izay mivoy ny gadona country sy rock. Leader sady Auteur/Compositeur.
✔ 2018: Mpilalao horonantsary Team EO ARA OE tao ami'ny Tv Plus Madagascar.
✔ 2019: Niditra tao amin'ny TARIKA ARRANTEE, feo lafika sady Auteur/Compositeur.
✔ 2020: Nanangana ny TARIKA RAL.
✔ 2022: Mpilalao tantara an'onjam-peo (Iarivo Radio sy Radio Vakiniadiana)
❤ SEHATRA SY FIKAMBANANA HAFA NAMANTARANA AZY:
✔ 2018: Mpilatsaka an-tsitra-po tao amin'ny ENDA TIERS MONDE izay miahy sy manabe ireo zaza kamboty sy ankizy tsisy mpiahy.
✔ 2018: Mpanentana tao amin'ny Antoko Tiako I Madagasikara, avy ao amin'ny sampana Jeunes Team Event's.
✔ 2019: Nampianatra Tononkalo tao amin'ny Ecole Privé Le Premier Anosibe.
✔ 2019: Mpikambana KMF/CNOE.
✔ 2021: Mpanabe tao amin'ny Akany ara-kolontsaina Soamiely Ampitatafika.
✔ 2021: Mpikambana Groupe Ny Ako / Iarivo Radio.
✔ 2023: Tanora miaradia amin'i Tahina Razafinjoelina.
❤ ASANY:
2021: Technicien en communication visuel ey digitale (photo, video, son et conception graphique).
2021: Mpampiofana Informatika tao amin'ny Ivotoerana Fifampizarana Art-kolontsaina Ambany Tanàna ANKIZ'Art Anosibe.
2022: Integrateur siteweb ao amin'ny Creativedev MAdagascar.
Rohy:
https://vetso.serasera.org/mpanoratra/fidy-art-niaina