AZA MITIA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
⚠⚠ AZA MITIA ⚠⚠

Aza mitia na indray mandeha monja,
Dia aza miditra raha toa ka mbola ivelany;
Aza mitia fa tafiotra mafonja,
Aza manandrana fa tena tsy havelany.

Ny mitia anie tsy mora e, aoka koa hazava,
Ny fitia tsy kilalao na koa hoe fialamboly
Koa raha tianao ny ho miramiran-tava
dia tandremo ny mitsabaka fa io tsy kolikoly.

Koa aza mitia aloha raha tsy te hijaly,
Aza mitia raha tsy te ho lasamborona;
Raha mbola tianao ilay tsikinao omaly,
Avelao ny fo hitony f'aza atao sorona.

Aza mitia sao ho sendra izay tsy tia,
Aza mitia fa tsy ho mora anie izany;
Aleo mitia mangina toy izay handeha hinia
hanambara ny ao am-po ka ho ratra sy tomany.

Aza maika ny hitia fa aleo ho mpitazana,
Aza maika mitia fa io ho tratra ihany;
Aza maika hitia fa efa maro ireo razana
nandao an'ity tany noho ny setrin'izany.

Aza maika hitia sao hahazo fahavalo,
Aza maika hitia sao ho tojo mpampirafy;
Aoka tsy ho tara amin'izay zanaka mpandalo
fa mahareta kely, mahaiza koa mihafy.

Aza mitia fa sao ianao hanenina,
Aza mitia raha tsy te hahita ady;
Aza mitia koa raha mbola te hiverina
amin'ilay tontolon'ny tanora lavitry ny vady.

Aza mitia fa tsy mahafaty ange,
Aza mitia fa aleo ho tokantena;
Aza mitia fa ho tsapan'ise
izany fiainan-tseliba anaty loko mena.

Raha toa ka hitia, tiavo ny rehetra,
Aza asiana avakavaka na koa tondro molotra;
Tiavo ny namanao f'aza asiana fepetra
na ireo mafiady na ireo mahatolotra.

Fa ny tena fitia: tsy fitiavan'olon-droa,
Fa ny tena fitia: mitondra hasambarana;
Fa ny tena fitia: fifanaovan-tsoa,
Fa ny tena fitia: tsisy fiangarana.

NY HERIMAR
18/07/2019
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - fananarana
470 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 09/09/2019 10:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142