FITIA NANDALO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA NANDALO.

Ny fitiavako anao kisendrasendra,
Fitia niserana ihany;
Fitia natosiky ny rendrarendra,
Ka tsy haharitra izany.

Koa dieny mbola tsy miorim-paka,
Aleo faranana amin'izay;
Tsy tiako ianao ho voambaka
amin-javatra tsy hay.

Ka veloma ary ianao ry malala,
Malalan'ny foko taloha;
Ary izany tsy hahalasa adala,
Fa ny anjaranao mbola hifoha.

Dia mamela ny heloko akia
noho ny fitiavako fitaka;
Fa hahita ianao raha hitadia
ary tsy ho tojo mpanitsaka.

NY H. 14/08/2019
--------
Rohy:
460 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015