HAMOLA-PO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAMOLA-PO

Tia anao ny foko
fa aleo ihany hilamina,
Mba te hiala ny toloko
ary mbola te hiarina.

Niezaka aho nikiry
saingy tsy nambinina,
Tsy navelanao haniry
raha toa ka fintinina.

Tsy hoe ratsy vintana
fa nangarihan'ny anjara,
Ny ratrako ho sitrana
Mbola ho ela ny tantara.

Izaho hamola-po
hamafa ireo lasa;
Handeha ataoko lo
ireo vina nokinasa.

Koa dia hatomboko eto
ilay diary vaovao,
Ny foko hofefeko
tsy handia ny akaninao.

Anio androany koa
no ho foana ny gadrako
ka nahatanteraka avokoa
ireo nofy izay tazako.

Veloma ianao ry kiala,
Masina ianao sakaiza;
Voatery izaho miala
fa fitia tsy mankaiza.

Omeo ahy ny tso-drano
hahafahako mitady;
Tsy vitako ny milomano
amin'ity olana mianjady.

Ianao efa tsy ahy
ka aleo hampionon-tena;
Koa handeha na tsy nahy
ity fo saika nanantena.

Tia anao ny foko
fa ankehitriny mihafona;
Rera-te hampiova loko
ny ao ambadiky ny rahona.

NY HERIMAR
02:05'
20/07/2019
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana - Fitiavana
461 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148