ILAY LOLO (NY HERIMAR)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY LOLO

Hotiaviko eny foana na tsy nitoetra
Ianao ry zanadolo tao an-jaridainako
Tsy hiasako saina fa aina no fetra
Fa tiko ho fanilon'ireo tantely ananako.

Baraingo maro sosona ny rahampitsonay
Saingy hijoro hatrany hikolokolo azy
Tsy te hanenina aho hoe tahak'izay
Ilay taho maniry tsy natao am-bazy

Tsy ho sasatra aho ny hanampy azy
Hamboly raozy maro, hanondraka kinana
Ny manodidina ao, hasiako fefy tady
Ka rehefa tonga izy, inoako ho tamana.

Fa ankehitriny, avelako amin'izao
Aleo izy aloha hanandrana taretra
Tsy misy mahay izay ao ambadika ao
Sao mba sedra izao fa aina no fetra.

Raha manina izy ve tsy hiverina foana?
Aho tsy hisakana na koa handatsa
Enga anie ny felana mba handava taona
Ka tsy hotsaroany intsony, 'reo ririnin-dasa.

NY HERIMAR
03/05/2023
23:02'
--------
Rohy:
776 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 03/05/2023 22:56
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121