RAHA POETA NY MPITONDRA (NY HERIMAR)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA POETA NY MPITONDRA... Raha poeta ny mpitondra, nandroso i Gasikara,
Fa afaka ho fitaratra ho an'ireo zandry fara;
Raha poeta no nitondra, efa ela no tafita,
Efa ela i Gasikara no nandify ny any am-pita.
Raha poeta no nitondra, niova mamy ny mangidy,
Avadiny ho asa ireo nofiny ho tena izy;
Ny poeta mantsy misaina sy mandinika,
Tsy manambony tena fa miray amin'ny madinika.
Raha poeta no nitondra, efa tafa ankehitriny,
F'izy ireny mantsy no matahotra ny tsiny;
Raha poeta no mitondra, mivoatra isika
Satria izy ireny no tena be fikafika.
Raha poeta no hitondra, hiova loko Gasikara,
Ilay mara matromatroka ho lasa hazava tsara;
Raha poeta no hitondra, hitombo ny fanahy
Ka ho foana ny tebiteby, indrindra ny ahiahy.
NY H.15/08/2019
--------
Rohy:
Sokajy :
Politika - Tanindrazana
Mpakafy:
Herimar