RY ZANAKO VAVY (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY ZANAKO VAVY,

Zanako...
Fetinareo, hono, ny andro anio,
Horakoraka mafy era-bazantany;
Etsy ange ny masonao ankimpio
Dia mba henoy ireto teniko androany:

Ny vehivavy dia fanaka tsara
Fanaka tsara ary mila fanajana
Ny fanahy re no tsy mahalany zara
Ary tena zava-poana ny hatsarana

Meteza ianao hitsiana sombinaina
Matoa aho miteny fitiavana izany
Ny trosan'ny ditra tsy mora efaina
Tiako ho fantatrao fa malama ny tany.

Aza variana amin'izao fiainana izao
Ny fahatanorana anomany ny ho avy;
Ireo filibana tandremo aza atao,
Ataovy an-doha fa ianao saro-pady.

Salasalao ny teny izay avoaka
Kolokoloy ny fahaiza-mihaino
Mandinika tsara tsy mora misafoaka
Ny zavatra atao re saintsaino.

Itafionao koa ny lambampandeferana,
Ny lolompo aza avela hanjaka
Ny hambompo aza omen-toerana,
Fa ny tena fitiavana no omeo lapa.

Aza manararaotra rehefa mitia,
Ny isan'ny gaona izany tsy lamaody
Rehefa mivoady aoka ho doria,
Tsara akia ny hendry noho ny maody.

Tandremo ihany koa io vatana io,
Ny bandy mody hendry rehefa te hahazo
Fa rehefa avy ravany ianao ilay nadio
Lasa izy miala nefa ianao indrisy babo

Izay ary anaka no hafatra omeko,
Mba mino aho fa hahasoa anao
Teny antsipy anefa fa ianao tsy tereko
Mandehana ry tiako, araho ny fonao !

NY HERIMAR
08/03/2022
01:59
--------
Rohy:
556 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105