TOKANA IANAO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOKANA HAY IANAO

Moa ve aho nisy afaka nitsetra
Rehefa aho latsaka ao anaty ady
Fitiavana mahery, tsy manam-petra
Efa ela naniry fa sasatra aho nitady

Teo ireo hadalako, fo mangatsiaka
Ianao tsy mba niala, nanantena foana
Fa ny fakampitiavanao tsy mora enti-driaka
Teo foana ianao, na voky aho na noana.

Ka tsapako ankehitriny, fa ianao ilay tena tia
Hiova aho Malala, hiova ho anao
Tsy handeha hivily intsony na mbola hitadia
Fa vonona hifikitra ankehitriny izao.

Ny lasako ry tiako, aoka hohadinoina
Efa nanenina aho, tsy te hierika intsony
Fa ny fonao no tiako hotompoina
Mba hanonerako irony vitako irony.

NY HERIMAR
24/01/2023
14:02"
--------
Rohy:
519 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106