DINIHO!!! (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DINIHO!!!Mirongatra
mipongatra
mitombo hatrany hatrany
izany mpanakanto izany
dia mihasimba
sy voazimba
ny tena kolontsaina
izay tiana sy lalaina
ary tsapa tato ato
fa hay misy mpanakanto
tena tia manimba
ny literatiora sy ny riba
sao ataonao mahatezitra
ny teny izay voalazako
fa hisaino an'eritreritra
ny hafatra soratako
dia anjaranao ny misaina
anjaranao ny mandinika,
fa hatreto ny seha-kolotsaina
dia tsaroako ho mbola bitika
saino izany anio!
nosoratan'i RAIMS Randriamalala (Mahavonjy Aimé)
10-08-2018
--------
Rohy:
Sokajy :
ahy - Aingam-panahy
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Raims randriamalala (mahavonjy aimé)Nampiditra : raims randriamalala
Daty : 10/08/2018 17:22